|
|
|
|

Teny iditra1  Dieny mbola velona aho
Singan-teny  2 dieny, 3 mbola, 4 velona, 5 aho
Sokajin-teny  6  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  7  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  8 Rakotomalala-Rabarijaona Louis
Lahatsiratra manontolo  9  Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko,
10  Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko:
11  Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako
12  Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.

13  Dieny mbola velona aho ka mijoro koa ny vatako,
14  Dia ity no foto-kevitra tsy maintsy hosoratako:
15  Gasikarako malala dia voasokitra ao anatiko,
16  Hatr'izay nisiako'zany ka ho mandra-pahafatiko.

17  Dieny mbola velona aho ka ny masoko mihiratra,
18  Dia iriko ny hanondrotra ny Gasy mba hamiratra,
19  Ary 'zao no ventin-kevitra sy voady tena mamiko:
20  Ny handray ny Malagasy mba hitovy hevitra amiko.

21  Dieny mbola velona aho ka milamina ny fiainako,
22  Dia i Madagasikara no ao anatin'ny fisainako:
23  Io 'lay Nosiko malala'zay akany nahafoizana,
24  Ka ny hampisondrotra azy no kendreko hotohizana.

25  Eny, maty aza aho ka hikatona ny fasako,
26  Moa tsy Madagasikara ve no tsangambato' asako ?
27  Dia i Madagasikara Nosy mamy fikirizana,
28  Ka tsy levona ao am-poko fa natao fitehirizana.

29  Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko,
30  Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko:
31  Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako
32  Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13